Famangian'ireo eveka ny Ankohonana amin'izao fandalovan'izy ireo eto Roma izao

 

Nandritra ny fandalovan'ny kardinaly sy ireo eveka Raiamandreny, nihaona tamin'ny Papa Ray Masina, dia nanokana ny anio alahady 23 oktobra izy ireo nihaonana tamin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo.

Tamin-kafaliana no nandraisana azy ireo, indrindra fa nitondra vaovao lehibe ho antsika izy ireo dia ny fanambarana tamin'ny fomba ofisialy fa i mompera Roger Pascal Andriamitantsoa, sj, no notendrena ho aumônier hitantana ny Ankohonana  hisolo an'i mompera Athanase Rafanoharantsoa, sj  izay niadidy antsika nandritra ny taona vitsivitsy.