Fametrahana ny aumonier tamin'ny fomba ofisialy.

 

Tamin'ny alahady 23 septambra 2012 teo, nandritry ny Sorona Masina tao amin'ny Ankohonana, no nametrahana an'i mompera Pierre Emile Rakotoarisoa tamin'ny fomba ofisialy, amin'ny maha-pretra mpiandraikitra feno (aumônier) ny paroasy katolika eto Roma sy aty Italia azy. Ny Solontenan'ny Kardinaly Vikera avy any amin'i "Vicariato", eveka Mpisolo mivantana ny Papa Ray Masina,  no tonga nananteraka izany.

Koa mirary indrindra izy ny hananany hatrany tanjaka sy hery eo amin'izay andraikitra lehibe natolotra hosahaniny izany. Tolorana fisaorana feno eram-po eran-tsaina i mompera Benirina tamin'ny nanekeny izay andraikitra vonjimaika hiahy antsika izay fony nandao antsika i mompera Paul Louis ka hatramizao androany izao.