Fanamasinana ho diakra an'i Fr Mamisoa sy Fr Rinja.

 

Ny Fikambanan-drelijiozy Zanaky ny Fitondran'Andriamanitra, don Orione, dia manasa antsika amin-kafaliana hanotrona sy hitondra am-bavaka ny fanamasinana ho diakra an'i

Fr. Rinja sy Fr Mamisoa ary ireo rahalahiny roa avy any India,

amin'ny alakamisy 8 desambra 2011 amin'ny 11 ora maraina eny amin'ny Paroasy Ognissanti, via Appia Nuova 244, Roma.

 

 ______________________________

Eo anelanelan'ny fermata Metro A Piazza Re di Roma sy Ponte Lungo no misy ilay Fiangonana.

Ny fomba hahatongavana eny ho an'ireo tsy maintsy handray ny fitaovam-pitaterana dia midina eo amin'ny fermata Piazza Re di Roma dia mandray ny Via Appia Nuova, ka aorian'ny sampanana havanana voalohany no misy ilay fiangonana.

Aorian'ny Sorona Masina dia hisy ny fiaraha-miala hetaheta ho an'ny rehetra.

Dia mirary anareo ho tonga maro. Tena ankasitrahana raha mba afaka milaza mialoha izay ho avy satria raha misy maromaro isika dia afaka manao hira manokana.

Misaotra indrindra,

Rinja sy Mamisoa