Fanamasinana ho pretra an'i diakra Lalatina.

 

Ry rahalahy sy anabavy malala, hafaliana lehibe ho ahy ny milaza aminareo fa hohamasinina ho mpisoron’ny Avo indrindra miaraka amin’izy dimy mirahalahy ny tenako ny asabotsy 25 agositra izao.

Mahafaly ahy tokoa ny fandraisanao anjara amin’izany fetin’ny Fiangonana sy ny vahoakan’Andriamanitra izany indrindra ao anatin’ny fiombonam-bavaka. Any Ambiatibe Antananarivo Madagasikara no hatao ny fanamasinana, ao anatin’ny fiomanana amin’ny fananganana ho Olomasina an’i Jacques Berthieu Olontsambatra (21 oktobra 2012). 

Misaotra antsika rehetra!

Diakra Lalatina.

 

lalatina1 lalatina2