Fanamasinana ho pretra an'i Fr Seraphin sy Benito any Tsiroanomandidy

 

Ny Evekan’ny Diosezy Tsiroanomandidy, ny Fikambanana Trinitera manontolo sy ny Fikambanana Trinitera ao Madagasikara ary ny Fianakaviana sy ny Distrika niavian’izy mirahalahy,

dia faly mampandre sy manasa anareo hiombom-bavaka sy hisaotra an’Andriamanitra noho ny FANAMASINANA HO PRETRA an’i Frera Diakra Séraphin RAKOTONDRASOA sy Frera Diakra Benito Marcellin RAHARISON,

izay atao ny alahady 29 avrily ho avy izao ao amin'ny paroasin'i Md Jean de Matha ao Tsarahasina, Tsiroanomandidy.