Fanasana Jobily 25 taona Alahady 23 Aprily

Ao anatin'ny fankalazana ny faha 10 taonan'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma dia faly manasa antsika rehetra ihany koa Frera ANDRIAMBAHOAKA O. Génao Patrick (fsc) sy Masera RASOANANDRASANA Pierrette Lucie (spc) hiara-misaotra an'Andriamanitra amin'izy ireo noho ny jobily faha 25 taona naha relijiozy azy.

Ka ny lamesa sy ny korana dia atao eny amin'ny

Fratelli del Sacro Cuore
Centro Fratel Polycarpo
Via dell'Imbrecciato, 112a
00149 , ROMA - ITALIA

Ny alahady 23 aprily 2017 izao.

Ka toa izao ny fandaharana.

10.30: Fahatongavana sy fanomanana
11.00: Fanombohan'ny lamesa
Aorian'ny lamesa sakafo sy korana

Ny fitaterana mandalo eny: BUS 33 – 701- 710- 785

Araka izany dia tsy hisy lamesa ao am-piangonana mahazatra.

Misaotra antsika rehetra dia samia hotahian'Andriamanitra.

Dia mba ampitampitao.