Fankalazana ny fetin'ny Olontsambatra Raphael Louis Rafiringa any Naples.

 

Araka ny efa fantatry ny maro moa, ary ho an'izay tsy mahalala ihany koa, dia tamin'ny 1 mai 1856 no teraka tao Antananarivo i Frera Rafiringa ary maty tao Fianarantsoa ny 19 mai 1919. Ny 7 jiona 2009 kosa izy no natsangana ho Olontsambatra.

Ny 19 mai io izany no andro fankalazana ny fetiny satria io no andro nahaterahany any an-danitra. Noho izany dia manasa antsika rehetra tsy ankanavaka ny Ankohonana katolika malagasy any Naples eo ambany fiahian'ny Olontsambatra Raphaël Louis Rafiringa, hiaraka hiombom-bavaka, hifampizara ny masaka sy hikorana ihany koa amin'ny alahady 22 mai 2011 ho avy izao.

Izany dia hatao any Ercolano (NA), ao amin'ny Fikambanan-dr'i Masera Figlie di Nostra Signora dell’Eucaristia, via Tironi di Moccia 44, manomboka amin'ny 10 ora maraina.

Ho antsika eto Roma dia naka fiarabe iombonana ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo mba hiarahantsika rehetra midina any. Ny fiaingana dia eo amin'ny piazzale dei Partigiani - Stazione Ostiense (teo amin'ny niaingantsika tamin'ny alatsinain'ny Paka ihany) amin''ny 8 ora tsy diso, ary ny saran-dalana dia 15 euros. Tsy mitondra sakafo fa iangaviana sy antitranterina kosa ny fahamarinam-potoana. Ny fodiana kosa dia amin'ny 5 ora tolakandro. Marihina fa ny fara-fisoratana anarana dia ny alahady 15 mai ho avy izao mba hahafahana mahalala ny tena isan'ny mandeha izay ilaina amin'ny fikarakarana rehetra, eo am-pisoratana anarana dia aloha ihany koa ny saran-dalana

Mifampilazà noho izany ary tongava maro hifanotrona.

 

"AMPY AHY NY MAHA MALAGASY ANAO : IFANKATIAVAKO SY IFANAMPIAKO AMINAO"