Fanosorana ho pretra an'i Fr Jean de Dieu sy Fr Christophe.

 

Manasa antsika izay any an-tanindrazana izy ireo - na ireo monina any na ireo mandalo amin'izao fialan-tsasatra izao - sy antsika rehetra ato amin'ny Ankohonana ihany koa hanotrona sy hiombom-bavaka amin'izy ireo amin'io andro lehibe io.

Mitso-drano ho tafita soa re, hombam-pahasoavana ny làlanareo ary mahavità be ao an-tsahan'ny Tompo.