Fanosorona ho pretra an'i Fr Daudet Maximilien, OSST, tany Antsirabe.

 

Vita soa aman-tsara tany Antsirabe ny fanosorana ho pretra an'i Diakra Daudet Maximilien, OSST, tamin'ny sabotsy 28 jolay 2012 teo. Misaotra an'i Diakra Lalatina nahasolo tena ny Ankohonan'i Roma no nahafoy fotoana ihany koa nizara ny sary tamin'izany ho antsika. Tsy lavitra tokoa ny elanelana rehefa manampy antsika ny fandrosoana sy ny teknolojia ka ankoatra ny fiombonana am-po sy am-panahy taminy tamin'io fotoana io dia mba afaka koa isika mandray ny fifaliana amin'ny alalan'ny sary.

Mirary ny soa hatrany ho azy sy ireo namana niaraka nohosorana taminy isika ary maniry azy ireo haharitra sy hahavita be ny Asa nanirahan'ny Tompo azy.

 

Voaraikitra ATO reo sary vitsivitsy ireo.