Isaorana an'Andriamanitra fa tanteraka soa amantsara ny fanoloran-tena mandrakizay nataon'i Sr. Njarasoa tany Anagni ny 25 aprily 2015. Ny alahady nanaraka an'iny, ny 26 aprily, dia nandeha niara-nisaotra an'Andriamanitra tamin'i masera ny ankohonana ary avy eo dia niara-nisakafo sy niara-nikorana.
Toa izao ny fisaorana nalefan'i masera:
"Amin’ny anaran’ny Fianakaviany ary ny Fikambanany, faly mankasitraka ny tsirairay i Masera Njarasoa … Tonga ianareo, tsy nanjehy tany lavitra, tsy nanombana ny halafon’ny fotoana , tsy nitsitsy vola amin-karena ho fananana ny andro iray toy izao. Nifanentana ianareo, mijoro, manotrona naneho fitiavana, nanome voninahitra.
Ankohokely tsipazam-potsimbary anay ka sady faly no sahirana –Faly fa fanananana anareo- sahirana fa tsy sahaza an’izao fitiavan-dehibe atolotry ny tsirairay izao. Sitraka enti-matory e ka ho valiana raha mahatsiaro –Isaorana ny Tompo naneho ny fitiavany –mahatonga ho Fianakaviana iray ny ankohonana namoaka ary Fikambanana mandray –Rarina ho mari-ponenanana ny Zaza , hiroborobo ny Fikamabanana, holava andro hanaovan-tsoa. Tsy hisara-mianakavy, hambinina amin’ny atao rehetra."