Fetim-piangonana

 

Araka ny efa natsidika tamintsika sy nohamafisin’ny fivorian’ny komity tamin’ny alahady dia amin’ny alahady 30 oktobra izao no hanaovantsika ny fetim-piangonantsika. Io rahateo no hanombohantsika ny fankalazana ny faha 10 taona niorenan’ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo teto Roma. Ka tahaka izao ny fandaminana.

Ny toerana dia eny amin’ny Paroasy Santa Maria della Visitazione (Via dei Crispolti 142/144) akaikin’ny metro Pietralata.

Fahatongavana amin’ny 11 ora manatitra entana sy mandamina ny toerana ao amin’ny grande salle mahazatra (via Alfredo Comandini 24)

Mandritra izany koa no hanomanana sy hifampizaràna andraikitra amin’ny litorjia

Amin’ny 12 ora ny lamesa ao amin'ny paroasy

Aorian’izay dia fifampizaràna sakafo. Iangaviana mba samy hitondra ny sakafo sahaza azy hifampizaràna. Ireo relijiozy izay tsy afaka manomana sakafo dia angatahana mba hitondra zava-pisotro.

Ny tolakandro moa dia fiaraha-mikorana tsotra sy fifampizaràna.

Mandritra io tolakandro io ihany koa no hahitantsika ny tantaran’ny ankohonana antsary sy am-bava. Koa antsoina ireo izay manana sary tahiry na koa maniry ny hizara ny tantara niainany tao amin’ny ankohonana mba handefa sy hifandray amin’ny komity.

Noeritreretina ny hanasàna ireo tapaka sy namana ankoatra antsika efa zatra tonga ao am-piangonana koa entanina isika hitondra azy ireo:
- Ireo namana Katolika mipetraka na vahiny mandalo izay tsy mbola mahalala ny fisian'ny fiangonantsika
- Ireo namana vazaha manana zanaka malagasy izay te hahafantatra be be kokoa ny momba ny fiainam-piangonantsika
- Ireo vazaha liana sy miombom-panahy ka te hiara-mifety amintsika
- Ireo namana avy amin'ny fiangonana rahavavy eto Roma.

Mandritra ny taona dia hisy ny hetsika vitsivitsy izay azontsika rehetra eritreretina. Anisan'izany ohatra ny vinavina Antsam-panahy izay atao amin'ny fotoanan'ny Paka ka hanasàna ireo vondrona isan-karazany ao amin'ny fiangonana sy ireo avy ao amin'ny fiangonana rahavavy ary koa ireo fiangonana sasany ao amin'ny Migrantes te handray anjara.

Dia manentana antsika rehetra hieritreritra izay hetsika hafa azo atao ka hanolo-kevitra ny komity.

Misaotra hatrany ary samy hotahian'ny Tompo.

Hery