Fifampiarahabana taom-baovao 2018 tany Naples

 

Isaorana an’Andriamanitra fa tontosa soa aman-tsara ny fihaonan’ny Malagasy tany Napoli. Ankasitrahana manokana isika rehetra indrindra ireo nandray anjara mavitrika nahatontosana izany. Singanina manokana ny Communità di Campania notarihin’i P. Naina mirahalahy avy sy Mme Haingo Tiana sy ny ekipany izay tena niomana tokoa na ara-panahy na ara-batana. Fankasitrahana koa no atolotra ny Prezidantsika nikarakara ny dia fa soa ny fiarahantsika. Afa-po tanteraka fa dia ho hambinin’Andriamanitra isika rehetra tsy an-kanavaka.

P. Athanase, aumônier.

 

[Ny sary rehetra dia milahatra ato amin'ny TAHIRINTSARY]