Fifampiarahabana tratry ny 2012 eto Roma.

 

Ny alahady 22 janoary 2012 ho avy izao no ho tontosaina ny fifampiarahabana hifanaovantsika Malagasy rehetra tsy an-kanavaka eto Italia, miaraka amin'ny mpiasan'ny Masoivoho, ny FFKM, ireo Fikambanana tsotra rehetra toy ny Zanak'i Gasikara, Tetezana, Fraternità Malgascia, Tefy, Malagasy Miray, ny Gasty Tsy Manavaka, ny Kanto sy Mevan'i Madagasikara, ireo Pretra sy ireo Fikambanan-dRelijiozy rehetra misy Malagasy eto Italia, ireo Fikambanana Masina avy amin'ny Fiangonana samihafa.

Koa manainga antsika rehetra mba hifampitaona sy hifampilaza haingana fa andro lehibe ho antsika izany, sady asaramanitra mampiombona no mampiray, ento ireo namanareo tompo-tany eto (italianina) sy vahiny hafa.

Toy izao ny fandaharana ny fotoana: 
 
10hoo' a.m., Lamesa na Sorona Masina
11hoo' a.m., Fiaraha-mivavaka FFKM (Herinandro iraisam-pinoana, misy RAKIDEHIBE koa samia mivonona ny amin'izany), arahin'ny teny fifampiarahabana ho antsika Malagasy renetra.
12h30', SAKAFO sy korana ary fiaraha-mifaly
16h15', Famaranana
 
Ny toerana dia: via Torre Rossa, 40 - 00165 Roma " (Collegio San Paolo).