Fifampiarahabana tratry ny taona 2014.

Hotanterahana amin'ny alahady 12 janoary 2014 ho avy izao ny fifampiarahaban'ny Malagasy rehetra eto Roma sy ny manodidina nahatratra ny taona ka eny amin'ny paroasy Santa Maria Ausiliatrice no hanaovana izany : Piazza Santa Maria Ausiliatrice 54 (via Tuscolana).

Hanomboka amin'ny 10 ora ny lamesa eny an-toerana ho antsika Katolika. Rehefa avy eo moa dia arahan'ny fivavahana iraisam-pinoana miaraka amin'ny Protestanta.

Hisy ny fifampizaràna sakafo arahana korana kely toy ny mahazatra. Marihina fa samy mba mitondra sakafo izay zakany koa amin'io.

Ny fomba hahatongavana eny amin'io toerana io, raha mandray Bus 85 eo Piazza Venezia dia miala eo anoloan'ny fiangonana mihitsy. Raha mandeha Metro A dia miala eo Furio Camillo na Colli Albani.

Mirary soa sy fanambinana ho antsika rehetra.