Fihatahana masina any Loreto sy lamesa famaranana ny taom-pikatrohana

Atao any Loreto ny alahady 5 jolay izao ny lamesa famaranana ny taom-pikatrohana 2014-2015 ka any Loreto no hanaovana azy. Isaorana ny Filohan'ny Chorale tamin'ny hevitra izay efa nampitainy tamin'ny pretra sy ny komity.

Toa izao ny fandaminana:

Ny fandraisana anjara dia toy ny mahazatra 15 Euro kanefa raha betsaka isika dia misy ny fanantenana fa hidina io sarandalana io. Samy mitondra ny sakafo sahaza azy. Miala eo amin'ny Gare Ostiense amin'ny 7 ora sy sasany ny fiarakodia hitondra izay handeha.

Mba hanamora ny fandaminana dia azo atao ny miantso an'i M. Rick, na mandefa sms @ tel: 3396134409 na 3921610506

Toa izao rahateo ny fanazavan'i Rick.

Araka ny lovan-tsofina, ao Loreto no misy ny tranon'i Masina Maria nentina avy any Nazareta ka voatahiry ao amin'ny bazilika.

Tao amin'io trano io, izay voatahiry ny rindrina telo, no nitezaina an'i Jesoa tamin'ny fahazazany, tao koa no nilazan'ny Anjely tamin'ny Maria fa hiteraka zazalahy izy nohon'ny herin'ny fanahy masina. Mahasarika mpizahatany maro dia maro io toerana io indrindra ireo mpizahatany izay manaraka ny finoana katolika.

Misy horonantsary notsongaina ireo mba hananantsika fahalalana misimisy kokoa ny momban'ny Tranon'ny Masina Maria sy mba hiomanantsika ara-panahy io fihatahana io.

Hisaorana i Masera Elisabetta teratany malagasy monina any handray antsika amin'ny fahatongavana ary hampahafantatra misimisy kokoa ny toerana ho tsidihina.

(sary: "Loreto250706" by Massimo Roselli - http://massimo.roselli.info. Licensed under CC BY-SA 2.5 viaWikimedia Commons.)