Fihatahana masina eny Divino Amore

 

Araka ny efa nampitaina ombieny ombieny nandtira ny vaovaom-piangonana dia hanao fihatahana masina isika ny alahady 28 febroary 2016 izao etsy amin'ny toerana fivahinianana etsy Divino Amore. Izany fihatahana masina izany no atao dia ho fanamarihantsika manokana ny fiainana ny taon-jobilin'ny famindram-po, ka araraotintsika indrindra hiainana amin'izao Karemy izao.

Toa izao ny fandaharam-potoana :
 
- Fahatongavana any Divino Amore amin'ny 10h45. Ny bus mandeha any dia raisina etsy amin'ny Capolinea San Giovanni in Laterano (eo ambanimbanin'ny fiangonana)
- 11 ora : Famelabelarana fohy ataon'i mompera
- 11 ora 30 : Fandinihan-tena manokana sy fiomanana amin'ny lamesa
- 12 ora 00 : Lamesa
- Fiaraha-misakafo tsotra (Pranzo al sacco)
- 2 ora 30 : Fifampizarana (mizara groupe)
- 3 ora 30 : Fandravonana sy famaranana
- 4 ora : Fodiana
 
Araka izany dia samy mitondra sakafo tsotra.
Voafetra ho 45 ny toerana ao amin'ny trano handraisana antsika koa ilaina ny fisoratana anarana ho an'ny rehetra. 
Toe-panahy anaty fivavahana sy fandinihan-tena no iainantsika izany.
 
Misaotra antsika rehetra.