Filazana manjo.

 

(sary : fony izy nampisalotra ny akanjo mahadiakra azy an'i Fr Sandy tamin'ny taona 2008)

 

Mamangy anareo ao amin'ny Tompo ! Ho aminareo anie ny Fiadanany !

Ampandrenesina isika Malagasy sy namana ary havana rehetra ao amin'ny Tompo eto Italia fa nodimandry halina teto Roma teo am-pandidiana azy i P. Hajatiana Roland, ocd, 36 taona, nohosorana ho pretra tamin'ny taona 2003. Avy any Arivonimamo ny fiaviany.

Mianatra Baiboly ao amin'ny Pontificio Istituto Biblico izy ary efa 3 taona eto izao no mitana andraikitra ao amin'ny Paroasy Santa Teresa, Corso Italia ihany koa dia izao nindaosin'ny fahafatesana izao ka hody any amin'Ilay Nanao antsika.Tokony efa hamarana ny Maitrise ataony amin'ity taona ity izy.

Mirary faherezana ho an'ny rehetra, indrindra ireo rahalahy Karma manontolo. Mbola miandry ny fandaminana rehetra sy ny programa.
Hatokantsika ho azy ny Sorona Masina amin'ny alahady 02 may ho avy izao,
amin'ny 10 ora tsy diso, eto amin'ny via del Seminario, 120.
Veloma vetivety ao amin'ny Tompo!

P. Benirina, sj