Filazana manjo.

 

 

Nandalo fijaliana mangirifiry sady mafy noho ny aretina nahazo azy nandritra ny 8 volana ary dia izao nindaosin'ny fahafatesana izao i :

RAHELIARINIVO Agnès,

teraka tamin'ny 07 Oktobra 1968, ary tonga teto Italia ny taona 2004.

Vadin'i ANDRIANTOVOHERINDRAINY Jean Britto.

Ny Lamesa fanaovam-beloma farany azy eto Napoli, Italia, dia hatao ny Sabotsy 21 aogositra 2010 amin'ny 3 ora tolakandro ao amin'ny Chapelle Mortuaire, POLICLINICO NUOVO, Via Pansini, 5.

Koa iangaviana izay afaka hanotrona amin'izany mba ho tonga farafaharatsiny adin'iray mialoha.

Ny Razana dia hoentina mody any an-tanindrazana rehefa vonona ny taratasy rehetra mikasika izany.

Misaotra ny fiombonam-bavaka ataontsika tsirairay avy hoan'ny fialan-tsasatry ny fanahiny, indrindra fa ho an'ny vady andefimandriny sy ny fianakaviany manontolo.