Fiondrehana teo amin'ny fasan'i P. Paul Louis.

 

Mankasitraka tanteraka ireo pretra, ireo relijiozy lahy sy vavy ary ireo lahika izay nifamotoana anio talata 1 novambra ka niondrika teo amin'ny fasan'i mompera Paul Louis Rafanomezantsoa, aumônier nanangana ny Ankohonantsika izay nodimandry tamin'ny volana septambra 2007 ka milevina eny amin'ny fasan'ny Fianakaviamben'ny Zezoita etsy Verano.

Nihidy moa ny varavarana lehibe mitondra any amin'ny toerana nanitrihana azy ka dia teo anoloan'ny fasana izahay no niara-niondrika, nanolotra voninkazo kely, nampiakatra vavaka ary niredona ny hirany "Ry Maria ô, mba tantano ny dianay".

 

Niaraka nizotra ihany koa izahay avy teo niondrika teny amin'ny fasan'ny Trinitera tsy lavitra teo,

Rehefa tontosa ny tao Verano dia nandray fiara indray i Suzanne, Rondro, Vincent, Christophe ary Francis ho eny Prima Porta nikasa ny hiondrika teo amin'ny fasan'i Sr Florine Razanamiandrisoa, avy ao amin'ny Fikambanan'ny Maseran'i Md Joany Batista, izay nodimandry tamin'ny 27 mey lasa teo. Saingy efa taratara moa izahay vao afaka tany Verano ka efa nihidy ny cimetière tamin'ny 5 ora hariva nahatongavanay tany, indrisy.

Hitahy hatrany anie ireo Olomasina nankalazaintsika androany ary indrindra ireo havantsika izay efa nialoha lalàna antsika. Mivavaka ho azy ireo ary  mirary soa ho antsika rehetra.

Misy sary vitsivitsy ato amin'ny "Tahirintsarin'ny Malagasy eto Italia".