FISAORANA

525629_482347601787339_1571499019_n

 

Mamangy sy mirary soa ho anareo rehetra ao amin'ny Tompo!

Tontosa ny fiaraha-mivavaka sy mifaly nananganana an'i Md Jacques Berthieu ho isan'ny Olomasina, Martiry hajaina ato amin'ny Fiangonana, sady voalohany ho an'i Madagasikara. Izany no tanteraka dia noho ny fitahian'Andriamanitra antsika, ary isaorana Azy be dia be izany fahasoavana izany; fa teo koa ny finiavanareo sy ny fahafoizanareo tena sy fotoana ary vola aman-karena.

Tsy hainay Komity sy tompon'andraikitry ny Vaomiera isan-karazany àry ny hangina. Eny, fisaorana sy fankasitrahana ary fankatelemana no atolotray ny tsirairay avy sy ny rehetra dia:
- ireo nanomana ny sary sy ny fampitaovana isan-karazany dieny mialoha,
- ireo nanomana sy nandrindra ny fotoana mbamin'ny raharaha rehetra,
- ireo niantsena, ireo nikarakara sy nahandro ny sakafo, ireo nanampy tamin'ny fandaminana isakarazany,
- ireo tonga niara-nivavaka sy nangataka ny fahasoavana ilaintsika ary nisaotra an'Andriamanitra,
- ireo nitarika ny fotoana sy nanomana ny Litorjia,
- ireo nihinana sy nisotro tam-pitiavana sy tamin-kafaliana, soritana manokana ireo avy any Madagasikara izay nanao ny ainy tsy ho zavatra nanotrona antsika taty, ary ireo avy atsy Lafrantsa sy avy eto Eoropa rehetra izay tonga nidodododo niara-paly tamintsika. Tsy hanonona anarana izahay fa samy mahalala ny tenany, samy nanao ny adidiny isika, ary hita fa nahafa-pò ny maro iny fety masina iny na dia santatra am-bavarano ihany aza. Na tsy misy aza izany tena lavorary. izany amin'ny toy ireny dia samy nanao ny ho afany tokoa ny rehetra ka isaorana be dia be fa tena nahafa-pò tokoa e!

Ny andon'ny Lanitra, ny tsiron'ny tany homba anareo. Andriamanitra manana amby ampy no hamaly soa ny tsirairay avy sy ny fianakaviany ary ireo havana aman-tsakaizany. Eny, sitraka enti-matory ka tsiahivina raha mahatsiaro ny nataonareo, fa henim-boninahitra Andriamanitra, ary heniky ny fahasoavana isika zanany, noho ny vavaka ataon'ireo Olomasina.

Hanambina antsika anie ny Vavak'i Md Jacques Berthieu! Hivoaky ny trano, hitondra soa ho an'ny hafa anie ianareo. Hiditry ny varavarana, hitondra mamy sy fahasoavana ho an'ny tokatranonareo anie ianareo. Ny zaza maroroha taiza, ny zatovo sy kilonga misondrota fahaizana amam-pahendrena ary fitiavam-bavaka, ny tanora mahità izay ilaina, ny tovolahy mahità mila, ny tovovavy hahita tokantrano hiadanany, ny mpanokan-tena mitomboa fahasoavana ho enti-manompo ny hafa, ny bevohoka manaova mora, ny zokiolona hiantitra amin-jaza hendry, isika rehetra izao kosa dia mba hitombo fahamasinana sy hihalavorary hatrany ka hiombona ao amin'ny Tompo tanteraka. Tsy ho tontan'ny ela ary tsy ho ravan'ny vao anie izao Fihavanantsika izao!

Hitsodrano anareo sy hitsimbina ny asanareo anie ny Tompo! Hambomba antsika lalandava anie ny vavak'i Md Jacques Berthieu sy ireo Olontsambatry ny Malagasy ary ireo martiora kristianina tsy ankanavaka, ary misy amin'izy ireo tokoa ny mpiray Tanindrazana amintsika toa an'i Lucien Botovasoa sy Rasalama ary ireo namany.

Ny Aumônerie Katolika Malagasy eto Italia
sy ny Ankohonana EKAR Victoire Rasoamanarivo Olontsambatra, Roma

Sagrato1 scansione0003
 scansione0002

Canonisation J Berthieu

scansione0001

Berthieu 137

Jacques Berthieu

Berthieu 211

Berthieu 184

Berthieu 219

 

Ny sary rehetra nandritra izay efatra andro izay dia efa milahatra maro dia maro ao amin'ny Tahirintsarin'ny Malagasy eto Italia.