Fisaorana avy amin'i Fr diakra Daudet

ANKALAZAINA ANIE NY TRINITE MASINA

“Inty aho, iraho aho”, Is 6, 8


Ry Rahalahy sy anabavy,
Dia mbola faly miarahaba antsika malagasy rehetra eto Roma, Italia ny tenako.

Misaotra an’Andriamanitra isika rehetra fa vita soa amantsara ny Fanamasinana ny tenako (Fr. Diakra Daudet) ho eo amin’ny Laharana maha–Diakra ao amin’ny Fiangonana, izay natao omaly 21 janoary 2012 teto Roma, San Carlino.


Koa arak’izany dia mahafaly ahy ny manolotra ny teny FISAORANA antsika Kristianina rehetra ato amin’ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma, tarihin’i Mompera Aumônier.


Mankasitraka, mankatelina tamin’ny fihetsika nasehonareo sy ny Fiombonam–bavaka nataonareo ho ahy, ary indrindra tamin’ny fahatongavanareo nanotrona nandritra ny Sorona Masina Fanamasinana.


Tsy ho voavaliko tokoa ny soa vitanareo tamiko, fa dia Andriamanitra manan–karem–pahasoavana anie hamaly soa anareo tsirairay avy. Dia samia ho tahian’Izy Trinite Masina avy.


Fr. Diakra Daudet.

 

 

 

Diaconat Trinitaire 210112 032

Diaconat Trinitaire 210112 039

Diaconat Trinitaire 210112 045

Diaconat Trinitaire 210112 054

Diaconat Trinitaire 210112 055

Diaconat Trinitaire 210112 059

Diaconat Trinitaire 210112 110

Diaconat Trinitaire 210112 170

Diaconat Trinitaire 210112 172

 

 

(ny sary rehetra dia azo jerena ao amin'ny Tahirintsarin'ny Malagasy eto Italia)