Fisaorana avy amin'i mompera Joseph Rabenirina

Doctorat 023

Mamangy sy mirary soa anareo namana sy tapaka ary havana rehetra ao amin'ny Tompo!

Misaotra anareo eram-pò eran-tsaina tamin'ny fanohananareo am-bavaka sy fahatongavanareo maro niatrika ny fiarovana ny asa izay nandaniana mondron-kery be tokoa.
Azo lazaina fa nitaky fahasahiana ireny asa ireny eo amin'ny sehatra fikarohana mivelatra, kanefa noho izany tena ilain'ny Fiangonantsika dia nekena malalaka ny tolo-kevitr'ireo niangavy hanaovako azy iny. Saika kandra hafa mihitsy mantsy no ho nirotsahako, saingy toa fanamafisana
fotsiny izay vitan'ny Eoropeanina izany na dia ho zava-baovao ho azy ireo aza.
Koa isaorako ianareo rehetra nanohana mivantana sy an-kolaka tamin'ny asa fitrandrahana izay azo lazaina fa vokatra vaovao ho an'ny Fiangonana Malagasy.
Homba antsika hatrany anie ny fahasoavana sy fanambinan'ny Tompo, ary ho maro anie no hahavita be, mihoatra lavitra noho ireny, ho an'ny Voninahitr'Andriamanitra irery ihany!
 
 
Benirina kely isan'ireo katekista voaofana.
____________________________
 
 
I miei cordiali saluti e ringraziamenti per la vostra presenza (spirituale e/o fisica) durante la difesa del 10 dicembre.
Non posso mai dimenticare tutti voi e coloro che hanno pregato per me, soprattutto dopo il 21 ottobre 2012. Quindi, ringrazio moltissimo il nostro nuovo Santo Giacomo Berthieu, gesuita martire che con le sue preghiere mi ha dato la forza di affrontare tutti i doveri da compiere per voi e per la Chiesa.
Ne ho avuto davanti a me la sua immagine durante la difesa per ringraziarlo.
 
 
Cordialmente e a presto !
 
 

 

Doctorat 011

Doctorat 024

Doctorat 029

Doctorat 032

Ny sary rehetra / Tutte le foto : Tahirintsarin'ny Malagasy eto Italia