Fisaorana avy amin'ireo diakrantsika vaovao.

 

Tsy dia manana teny lava ho ambara izahay fa dia faly tena faly indrindra fa tontosa ny zavatra rehetra noho ny vavaka sy ny fiaraha-mientanareo rehetra.

Hisaorana izay tonga, ary hisaorana torak'izany koa izay rehetra nitrotro sy nahatsiaro am-bavaka. Ary mitondra ny teny fisaorana manokana avy amin'ny Fikambanana manontolo ihany koa ho anareo rehetra tonga nanotrona sy niara-nientana mba hahatontosa ny zava-kinasa fa indrindra ny nihiranareo ny Litania tamin'ny teny malagasy fa dia nampientam-po ny maro fa izay rehetra hifanenana dia samy milaza avy fa dia tena tsara ny Litania. Tsy lainga fa tena tsara e. Irariana hitohy ny toy ireny.

Koa dia Andriamanitra ilay efa nanamasina antsika rehetra tamin'ny Batemy sy nanamasina anay androany tamin'ny laharana maha-diakra anie hameno fahasoavana hatrany ny fiainantsika rehetra. Ho feno hafaliana sy fiadanam-po isan'andro. Ary i Masina Maria ilay notorontoronina tsy azon-keloka hiaro sy hivimbina ny fiainana an-davanandron'ny tsirairay.

Ary dia homba antsika mianakavy hatrany anie Andriamanitra.

 

Mamisoa sy Rinja.

 

 

 

 

(ny sary rehetra dia azo jerena ato : Fanosorana Diakra - 8 desambra 2012