Fisaorana avy amin'ny Fikambanana marialy

 

       FISAORANA
 
Izahay Mpikambana Marialy, dia mankasitraka sy mankatelina ANAREO REHETRA izay namaly ny antsonay tamin'ny "Antsa amam-pihobiana" izay natao tamin'ny Alahady 22 Aprily 2012 :
* ny Mpiandraiki-draharaha ao Masoivohon'i Madagasikara eto Roma sy ny Mpiara-miasa aminy
* ny Fiangonana Roa Tonta eto Roma
* ny Fikambanana Relijiozy
* ny Zanak'i Gasikara
* ny Fraternità
* ny Serasera
* ny Solon-tenan'ny Fikambanana isan-karazany
* IANAREO tapaka sy namana,
Andriamanitry ny Fiadanana anie handrotsaka ny fahasoavany aminareo sy ny ankohonanareo tsirairay avy. Ary Izy ihany koa anie hampitombo avo heny ny vola aman-karena sy ny fananana nafoinareo anampiana anay tamin'ny fanatanterahana iny fotoana iny.
Ny Tompo anie hitsinjo lalandava ihany koa an'ireo Namana rehetra niara-niasa taminay, ka tsy nitandro hasasarana sy lany andro tamin'ny fanomanana sy fanatanterahana isan-karazany :
- fitadiavana ny toerana nanaovana ny Fety
- fampiantranoan'ny Masera ao amin'ny Istituto Figlie Della Divina Provvidenza Elena Bettini
- fandraisana anjaran'ny CHORAL sy KAMEMA
- fandraisana anjara avy tamin' i Masera sy tamin'ireo Namana tsy Mpikambana
- ny ankizy madinika, ondrikelin'i Kristy, izay niara-nientana taminay tamin'ny hetsika
- fandraisan'ireo namana anjara  tamin'ny fampiaingoana sy ny fanadiovana ny trano, ary ny fitanteran' entana isan-karazany,
- fakana sary nandritran'ny fotoana
- isika mianakavy izay nitondra hafaliana sy nampiseho ny FIRAISANKINA.
Koa FISAORANA eram-po, eran-tsaina no atolotray anareo.
 
                                                   Ny  Mpikambana Marialy
                                               Paroasy Victoire Rasoamanarivo
                                                     Roma - Italia

 

(ny sary rehetra dia efa  nalahatra ato amin'ny tahirintsary . "Antsampanahy marialy"

 

DSC00646

 DSC00676

 DSC00755

 DSC00776

 DSC00680

 DSC00696

 DSC00685