Fisaorana avy amin'ny fivondronambe karmelitana

 

 

Ireo pretra sy relijiozy, ny fivondronambe Karmelitana, ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo eto Roma sy Italia, dia maneho fisaorana etoana ny amin'ny fiombonantsika rehetra - na tamin'ny alim-bavaka tamin'ny zoma lasa teo, na tamin'ny Sorona Masina ny alahady maraina na tamin'ny Sorona Masina fanaovam-beloma anio hariva - sy ny fidodododoantsika rehetra.

Isaorana ny Arseveka Mgr Odon Marie Razanakolona, ireo olona samihafa avy amin'ny vazantany efetra, ireo Frera Scalabriniani, ary ny tenantsika tsirairay avy, ireo avy ao amin'ny Ambasady, ireo avy ao amin'ny Ankohonana Rahavavy FJKM sy FLM sy FFPM.

Hamaly soa be dia be anareo anie ny Tompo be fitiavana.
Ny andon'ny lanitra sy ny tsiron'ny tany anie homba anareo rehetra !

 

Ny Ankohonana Kristianina Malagasy  eto Italia.
PP. Dominique sy ireo rahalahiny ocd

_______________________

[Ireo sary nandritra ny fahoriana : ATO]