Fisaorana avy any Teramo

diaconat teramo 233

Benedicta Sit Sancta Trinitas
Hoan'ny Malagasy rehetra ao Roma, ny ankohonana Victoire Rasomanarivo tarihin'i P. Pierre Emile Aumonier,
miarahaba antsika rehetra indray.
Amin'ny anaran'ny Fikambanana Trinitera any Madagasikara, ny Communauté ato Teramo sy ny Paroasy nankinina amin'ny fitantananay dia manoratra ity taratasy fohifohy ity ny tenako hanamarihana ny fankasitrahana tena vokatry ny fonay noho ny famalianareo ny fanasana nataonay ka nahatongavanareo maro be nanatrika sy nandray anjara mavitrika tamin'ny Fanamasinana ho diakra ireo zandrinay 9 mirahalahy.
Henin-kaja sy voninahitra tokoa izahay tamin'ny fahatongavanareo maro be sy nandraisanareo anjara mavitrika ka dia fisaorana eram-po sy eran-tsaina no atolotray anareo rehetra tsy fidin-tsy avahana.
Ireny hetsika ireny no ahafahantsika mampiseho amin'izao tontolo izao sy anandratantsika avo ny tena mampiavaka antsika Malagasy, vahoaka atambatry ny Fihavanana sy ny Fifankatiavana na dia samy hafa fihaviana aza fa ladim-boatavo ka sarihana iray ihany. Samia ho tahin'Andriamanitra sy ho ambinina amin-java-manasatra daholo.
Misaotra indrindra. Dia izao e ro mandavà!
Fr Jean Claude Herménégilde, sy ny communauté trinitaire de Villa Mosca ary ny Paroasy Madonna della salute.

diaconat teramo 406

Ny sary sy horonantsary rehetra nandritra io andro io dia azo jerena ATO