Fotoam-bavaka ho an'ny Tanindrazana.

 

Mamangy anareo rehetra ao amin'ny Tompo!

Manainga antsika Malagasy rehetra ny tenako mba hifarimbona hiara-mankalaza am-pahatoniana ny andro fety lehibe mampiombona antsika rehetra.

Finoana sy fitiavana ary fanantenana no entintsika mankalaza izany. Hoefaintsika koa ny adidy amin'ny Tanindrazana sy ny firenentsika arak'izany.

NY SABOTSY 26 JIONA ARY DIA HIARA-MANATONTOSA IZANY AO AMIN'NY AMBASADY ISIKA, izay hiantomboka amin'ny FOTOAM-PIVAVAHANA IRAISAM-PINOANA.

Fahatongavana 17h00'. Fanombohana 17.30'.

Ny ALAHADY 27 jiona, amin'ny 10 ora tsy diso, kosa ny Sorona Masina Lehibe, fanao amin'ny Paroasy rehetra manerana ny Nosy isan-taona, ho fangataham-pitahiana ho an'ny Tanindrazana, hatao ao amin'ny fiangonana san Macuto, via del Seminario 120 (Collegio San R. Bellarmino).

Alao hery àry fa mamy ny firaisankinantsika mianakavy ary entintsika tsy tapaka eo amin'ny Tompo izany sy ny faniriantsika!

 

P. Joseph Rabenirina (Coordinatore Nazionale per il pastorale dei cattolici malgasci in Italia)