Fotoam-pivavahana iraisam-pinoana ho fahatsiarovana ny 29 martsa 1947

 

Ny Fiombonan'ny Fiangonana Kristianina Malagasy eto Italia dia faly mampandre sy manasa antsika Malagasy rehetra eto Italia fa ny fankalazana ny andron'ny 29 mars 1947 dia hotanterahina ny Alahady 27 mars 2011 ho avy izao amin'ny 4 ora tolak'andro, ao amin'ny Via del Quirinale, 23 eto Roma (eny amin'ny Fikambanan'ny Trinitera)

Aorian'ny fotoam-pivavahana dia hisy fiaraha-miala hetaheta koa iangaviana ny tsirairay mba HIVIMBINA sy HIOMANA ny amin'izany, satria iaraha-mahalala fa marefo ny teti-bola eo am-pelatànan'ny FFKM.
 
Dia misaotra mialoha Tompoko, ary manantena ny fahatongavantsika maro!
 
Ny Komitin'ny FFKM eto Roma.