Hafaliana : fanasana avy amin'ny Fikambanan-drelijiozy Maestre Pie Venerine

Ry havana mpiray tanindrazana,

izahay mpampianatra katesizy ao amin’ny Fiangonana  "Sacro Cuore Prati" dia manasa ny rehetra izay afaka mba hamonjy ny fety zay karakarainay ho famaranana ity taom-pianarana ity.

Koa manasa antsika Malagasy namana mba hiara-paly aminay satria misy ny olona liana mba te-hahita sy hahafantatra ny vahoaka malagasy  (ny maro mpahafantatra eto aminay dia ny Filipianina sy ny Romanian) .

Ny fandaharam-potoana dia hitantsika io ambany io. Asongadina etoana fa hisy ireo namana malagasy hanafana ny korana, toy ny tarika “GASY  TIA  SOMA sy ny namana hafa.

Tsy misy vidim-pidirana fa hisy kosa ny fitia tsy mba hetra izay foinareo ho fandraisan’ny tsirairay anjara amin’ny sakafo hariva izay atolotray.

Raha azonao atao koa ny mampandre mialoha dia faly zahay amin’izay mba fantatra ny vinavinan’ny isan’ny olona  ho tonga. 

Misaotra ary manantena ny fahatongavan’ny maro

 

NB: Raha misy fanazavana fanampiny tianao ho azo dia manasa anao hiantso ny iray amin’ireto :
Mery 333 8842361 (Italiana)  na Sr Alfonsina 334 1238239 (Malagasy). 

 

Toerana:  Via Giuseppe Gioacchino Belli 31  ( Piazza Cavour) 

Fotoana: 24 Mey 2015  amin'ny 5 ora sy sasany hariva

Fitateram-bahoaka : 70, F130 (festivo), 87, 492, 280,301,913,49,990, Metro  A  LEPANTO