Lamesa famaranana ny taom-pikatrohana 2013-2014

 

Araka ny fanaontsika mahazatra eto amin'ny paroasy dia misintaka kely isika isaka ny lamesa famaranana ny taona. Koa amin'ity taona ity dia ny alahady 27 jolay 2014 no hanaovana ny lamesa famaranana ka ao amin-dry mompera Louis-Martin, Assomptionniste no hifamotoana isika.

Ny lamesa dia hanomboka amin'ny 11 ora maraina ary aorian'ny lamesa moa no hifampizarantsika sakafo sy korana kely. Samy mba mitondra izay sakafo hifampizaràna ny tsirairay. Aorian'ny koràna koa moa no hanaovana ny tatitra vitsivitsy ny fiainan'ny Ankohonana nandritra iny taom-pikatrohana lasa iny sy hibanjinana indray ny ho avy.
 
Ny toerana ary dia ao amin'ny Via Pio V, 55, Roma 
Jereo eto ny mappa: https://goo.gl/maps/SNXxq 
Raha mandeha Metro dia Metro A (Balgo degli Ubaldi)
Raha mandeha bus dia 98 na 881 na 916 ka miala eo amin'ny Fermata: Gregorio VII - Pio XI dia miakatra kely.
 
Dia miandry antsika rehetra.