Mirary fialan-tsasatra sambatra.

 
Homba antsika lalandava anie ny fahasoavan'ny Tompo, ny famonjeny ary ny famindram-pò amam-piadanany!
 
Fisaorana no atolotra anareo rehetra ny tamin'ny fanatrehana sy famitana ny adidy iombonana ho voninahitry ny Tompo, nandritry iny taona pastoraly 2009/2010 teo iny.
 
Nifarana ny 11 jolay 2010 teo ny taona pastoraly ary ny alahady 12 septambra indray vao miverina manao ny Sorona Masina miaraka isak'Alahady isika mianakavy.
 
Mirary fialan-tsasatra milamina ho antsika mianakavy ny Ankohonana. Ho tsara mandroso ho tsara miverina ireo izay haka rivotra ka hisintaka ny tanàna ; tongava soa ary mahaefà be eo amin'ny sahan'ny Tompo ianareo pretra sy relijiozy nahavita ny adidy sy fianarana natrehanareo teto ka hitodi-doha handray andraikitra any an-tanindrazana ; mahazoa aina sy afaha havizanana ihany koa ireo izay mijanona miandry tanàna.
 
Mandra-pihaona daholo.
 
 
Ny Komity manontolo