Misokatra ny varavaram-be ao am-piangonana

Ho an'izay tonga nivavaka ny alahady 19 aprily teo dia nahita fa nanomboka nisokatra tamin'io alahady io ny varavaram-be fidirana ao am-piangonana. Tsy mila miditra avy ery amin'ny varavarana fidirana mahazatra intsony izany fa tonga dia eo am-piangonana no miditra. Isaorana ry zareo ao amin'ny Communauté Bellarmino nikarakara ny varavarana sy nandray izany fanapahan-kevitra izany, izay inoana fa hitondra soa betsaka ho an'ny ankohonan-tsika.

Araka ny vaovao dia tsy ho azo idiran'ny fiara intsony koa ao an-tokontanin-dry mompera manomboka amin'ny fidirana amin'ny herintaona. Mila miezaka tsikelikely izany isika mitady toerana eo amin'ny manodidididina eo.