Mompera Rabenirina hiaro ny asa fikarohana nataony.

 

I mompera Joseph RABENIRINA, sj, dia mampandre sy mampahafantatra antsika fa ny alatsinainy 10 desambra 2012 ho avy izao no fotoana hiarovany ny asa fikarohana nataony nandritr'ireo fotoana nijanonany sy niasany teto anivontsika.
Manantena ny fanohanantsika am-bavaka hatrany sy dieny izao izy.
 
Ny toerana moa dia ao amin'ny Università Gregoriana (PUG) - Aula C012 (Palazzo centrale), Piazza della Pilotta 4, amin'ny 4 ora tolakandro (16h).
 
Aorian'izany dia hisy ny fialana hetaheta kely hiarahantsika ao amin'ny Kolejy S. R. Bellarmino, via del Seminario 120.
 
Noho ilay efitra CO12 somary kelikely ka tsy mahazaka afa-tsy olona 80 dia ialana tsiny dieny izao raha sanatria misy ny tsy tafiditra amin'io. Afaka tsiny ihany koa ireo mianatra sy miasa ka tsy afaka  hanatrika amin'io fa ilazana sahady kosa anefa isika fa ny alahady 16 desambra aorian'ny lamesantsika mahazatra ao amin'ny San Macuto isika Ankohonana no hiara-paly aminy sy hisaotra azy amin'izay rehetra vitany nandritra ny fotoana nanaovany ny interim tamin'ny maha-aumônier azy .
 
Miombom-bavaka hatrany!
 

 

beni