Nodimandry i Masera Berthe any Ragusa

 

Izahay ao amin'ny Fikambanan'ny Maseran'ny Fo Masin'i Jesoa ao Ragusa (Sicilia) dia mampandre anareo havana sy tapaka rehetra ao amin'ny Tompo fa nodimandry ny alakamisy 6 oktobra 2011 lasa teo ny rahavavinay Sr Berthe RAZAIARIVOLOLONA, rehefa nivahiny 66 taona teto an-tany. Avy eny Ambanimaso Fianarantsoa moa no fiaviany.

Ny Sorona Masina nanaovana veloma azy farany dia natao tao amin'ny CASA DI  RIPOSO MARIA SCHININA tao Ragusa ny asabotsy 8 oktobra 2011 maraina, talohan'ny nametrahana ny nofony mangatsiaka tao amin'ny fasan'ny Fikambanana any Marina Ragusa ihany.

Handry am-piadanana anie ny fanahin'ny kristianina nodimandry.