Olontsambatra Jacques Berthieu hatsangana ho Olomasina.

 

Anio 19 desambra 2011 dia nanome alalana ny Papa Benoa faha-16 hamoahana amin'ny fomba ofisialy sy ara-dalàna mifanaraka amin'ireo hitsivolana navoakan'ny Kongregasionina miahy ny Fananganana ho Olomasina.

Tsy inona izany fa ny amin'ireo fahagagana maromaro azo noho ny fitalahoana natao tamin'ny alalan'ireo kristianina efa nodimandry, olontsambatra na mendrika hohajaina.

Isan'izany ny Olonts. Jacques Berthieu, zezoita, maritiora, misionera tany Madagasikara.

Mila miomana dieny izao koa ny rehetra fa ny daty fananganana azy no sisa andrasana.

 

Loharanom-baovao : eglise.catholique.fr