Roland, Misaotra tamin’ny hafaliana nomenao!

 

 

 

Roland, zokiko sy rahalahiko, vahotra ny lela ny hilaza ny momba anao, ary mangovitra ny tanako hanoratra ny fiainanao, tsy hay anefa ny tsy haneho ny ato am-poko sy tsy hilaza ny ato antsaiko ho fankasitrahako anao satria maro loatra ny nomenao ahy.

Marina fa efa nifankahalala isika teo aloha tato anatin’ny Fikambanana (congrégation) kanefa ireo telo taona latsaka niarahantsika teto Italia dia nanampy antsika hifankahalala be kokoa. Noho ny fanekentsika ny lehiben’ny Fikambanana dia tonga teto isika mirahalahy handranto fianarana. Hatrany am-boalohany dia maro ny fitsapana izay nolalovana na tamin’ny fiainana na tamin’ny fianarana sy ny sisa. Kanefa efa hatrany am-boalohany koa dia hitanao hatrany ary nasehonao hatrany ny toe-tsaina mendrika entina misedra izany, avy aminao mandrakariva ny hevitra entina mikaroka vahaolana, tsy fombanao ny miraviravy tànana, tsy mba kivy na oviana na oviana ianao, fa mijoro hatrany hatramin ny farany. Tena nanaitra ahy ny fahitanao vahaolana madinidinika mandrakariva amin' izay zavatra rehetra mitranga, tsy mba ianao no hanipy "gant", na hitaraina be fahatany. Ambenti-teninao matetika ny tokony hipetrahana amin 'ny toeran’ny olona anankiray misedra olana mba hahatsapa sy hiaina izay iainany. 

Tsy nisaraka tamin'ny fiainako ny hafaliana noho ny fananako anao teo anilako. Asa, mety hoe manitatra angaha aho raha hilaza fa tsy tsaroako akory izay indray maraina ka nampifandrirotra antsika mirahalahy. Kanefa dia tena izay tokoa no niainantsika!

Roland, toa nisompatra anefa ny fiainana, tsy arakaraky ny hatsaram-panahinao ny fahasambarana nomeny anao fa toa hazo fijaliana mavesatra aza no nolanjainao. Volana maromaro no efa nahenoanao havizanana sy fanaintainana tao anatinao, noheverintsika tany am-boalohany fa handalo izany ary ho afaka vetivety. Tsy izay anefa no nitranga fa toa tsy nitsahatra nitombo izany fitsapana nahazo anao izany, tsy nitsahatra nihamafy tsikelikely tao aminao.

Nanaitra ahy tokoa ny toe-po sy toe-tsaina nentinao niatrika izany fangirifiana izany tao amin ny tenanao. Mbola maro mantsy ny olana hafa tsy maintsy nosedraina tao anatin'izany : ny tsy maintsy hanarahana ny "formalités" isan-karazany, ny fiandrasana ny "rendez-vous" tsy misy farany, ny fivezivezena etsy sy eroa, ny fiandrasana ny vokatry ny "analyse"-n'ny dokotera, sns. Fa tsy kivy ianao. Nolanjainao an-tsitrapo ny hazo fijalianao. Naverinao matetika ny hoe “mavesatra ity hazofijaliako ity !”. Na izany aza anefa mbola hainao ny nizara hafaliana tamin’ireo manodidina anao tato an-trano. Resy lahatra tanteraka aho fa toa tsy satrinao na oviana na oviana ny hanome fahasahiranan-tsaina ny hafa fa naleonao ho anao izay mafaitra. Nozakainao ny mangidy fa nomenao anay ny mamy tamin’ireo sangisangy mahazatra anao, ireo tsikitsiky teo imolotrao. Dia babonao tamin'ilay tsikitsikinao ny rehetra. Ireo tsy nahalala anao mivantana dia io tsikinao io no fahatsiarovana mamy napetrakao taminy. Eny hatramin’ilay minitra farany mialoha ny fotoana nandidiana anao dia mbola nizara izany tsiky izany ianao tamin'ireo mpitsabo, sy mpikarakara, ary indrindra taminay rahalahinao tonga nanotrona anao farany.

Roland, nandao anay ianao, nosarahan'ny fiainana isika, kanefa ny hatsaram-panahinao, sy ny fiainanao dia toa volamena latsaka am-bovoka ka tsy avelan ny soa tsy hihiratra ao anatinay. Tsy ampy tokoa raha andalana vitsy monja no hamintinako izay 2 taona sy 8 volana ary 24 andro niarahantsika teto Italia izay, fa ilay tsiky nomenao kosa anefa no hamintina azy rehetra ary hirakitra mandrakariva ato am-ponay. Antenaiko fa any ankoatra ianao dia mbola hitsiky ho anay rahalahy sy anabavinao rehetra, ka hoy izahay hoe: “Misaotra tamin’ny hafaliana nomenao. Sambatra izahay manana anao !"

 

P. Dominique.