Sorona Masina 23 jolay 2017

Miarahaba antsika rehetra

Araka ny efa nolazaina teto sy naverina tao am-piangonana dia any amin-dry masera Petite Soeurs de Jésus (Tre Fontane) isika no mivavaka amin'ny alahady ho famaranana ny taom-pikatrohana 2016-2017. Noho izany dia tsy hisy lamesa ao amin'ny fiangonana mahazatra. 

Ny adiresy dia
Via di Acque Salvie, 2
Tre Fontane
00142 ROMA

Raha handeha fitateram-bahoaka dia miala eo amin'ny faran'ny Metro B - Laurentina, dia avy eo manaraka ny arabe (via Laurentina) miverina Roma. Dia miditra amin'ny vavahadin'ny Tre Fontane dia rehefa ho tonga eo amin'ny monastera dia misy fiakarana havanana misy soratra hoe Piccole Sorelle di Gesù
Ny lamesa dia hanomboka amin'ny 11 ora tsy diso satria ireo masera tompon-toerana dia hiaraka hivavaka amintsika.
Aorian'ny lamesa moa dia hisy ny fiaraha-misakafo koa iangaviana mba samy hitondra ny sakafo sahaza azy sy ho an'ireo tsy manana :-) 
Misaotra antsika rehetra.