Tafatsangana ny Ankohonana Raphael Louis Rafiringa any Naples.

 

Isaorana ny tompo fa manomboka mivondrona koa ireo rahalahy sy anabavintsika ao amin'ny Tompo any Napoli ny alahady 28 novambra 2010.

Nilamina ny zavatra rehetra natrehan'ny Komity avy aty Roma taorian'ny Sorona Masina izay narahan'ny sakafom-pianakaviana sy fifampizaràna.

Ny Ankohonana Raphaël-Louis Rafiringa any Napoli noho izany dia nitsangana io alahady 28 novambra io tamin'ny efatra ora latsaka folo tolakandro.

Ireto avy ireo nanolo-tena hitantana ny birao eto am-panombohana :

Filoha: RAMBOASALAMA Andry
Mpitantsoratra: Césarine
Mpitambola: RAMAHERIJAONA Haingotiana
Mpanolotsaina: RANDRIANAIVOMANANA Armand
I Sr Clarisse moa no isan'ny zoky manorotoro azy ireo, ary isaorana manokana dieny izao koa
ireo Pretra malagasy sy vahiny manana ny fahavononany hanampy ara-pitaizana ny kristianina.

Azo lazaina moa fa io izany izao no sampana voalohany tafajoro avy amin'ny Ankohonana Nasionaly Victoire Rasoamanarivo. Eo am-piheverana ny any Triveneto sy Lombardia koa isika izao ary efa misy vondrona mijoro koa ny azy ireo satria efa niezaka nihaona,
saingy fanamafisana azy hijoro tanteraka miandalana no tsy maintsy hezahintsika rehetra.

Araka ny tapaky ny Komity tamin'ny fivoriana farany dia ity ny teny filamatra ho antsika rehetra amin'izao taona vaovao 2011 izao. Niniana natao amin'ny ankehitriny satria izao dia izao no itiavantsika sy ifanampiantsika ary ifandraisana sy ifaneraserantsika rehetra.

Koa dia indro isika rehetra manao hoe:
"AMPY AHY NY MAHA MALAGASY ANAO: IFANKATIAVAKO SY IFANAMPIAKO AMINAO"

 

(ny sary rehetra tamin'io fotoana io dia azo jerena ao amin'ny "Tahirintsarin'ny Malagasy eto Italia)