Taona Pastoraly 2022-2023 tarihan'i P. Roger Pascal ANDRIAMITANTSOA

 

Am-pifaliana no hanambarana amintsika fa i mompera Roger Pascal Andriamitantsoa, sj no aumônier vaovao hitondra  ny Ankohonantsika manomboka amin'izao taona pastoraly 2022/2023 izao.

Tamin'ny 23 oktobra 2022 tokoa manko dia niaraka nanolotra Sorona Masina tamin'ny Ankohonana, narahana fiaraha-misakafo sy dinidinika, ireo Raiamandreny am-panahy, Eveka sy Kardinaly, nandritra ny fandalovan'izy ireo nihaona tamin'ny Ray Masina teto Roma. Tamin'izay no nanambaran'izy ireo tamin'ny fomba ofisialy ny fanendrena an'i mompera Pascal Andriamitantsoa, sj, ho aumônier vaovao hitondra ny Ankohonana satria vita ny adidin'i mompera Athanase Rafanoharantsoa, sj.

Ny alahady 6 novambra kosa, nandritra ny Sorona Masina, no notontosaina ny famindrahan-draharaha tamin'izy mirahalahy ka nanoloran'i mompera Athanase tamin'i mompera Pascal ny fanalahadin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo. Nisy ny fiaraha-misakafo sy ny fanapahana mofo mamy taorian'izay satria andro nanatontosana ny Vokatra rahateo io andro io, ary indrindra nisaorana an'i mompera Athanase tamin'ny zava-bitany nandritra izay taona maromaro izay.

Ary amin'ny maha-paroasy eo anivon'ny Diosezin'i Roma antsika dia androany alahady 13 novambra no tonga tao amin'ny Ankohonana ka nandray ny aumônier vaovao sy nitso-drano azy i Don Ben - Mgr Benoni Ambarus - eveka mpanampin'ny diosezy sady tompon'andraikitry ny "Pastorale dei Migranti" sy ny "Ufficio Missionario Diocesano". Fisaorana kosa no natolony ho an'ny aumônier teo aloha.

Mirary soa ny aumônier vaovao isika ary andao haneho fiaraha-mientana aminy amin'ny hampandrosoana ny Ankohonantsika ho Voninahitr'Andriamanitra. Hoy tokoa manko izy taorian'ny famindram-pahefana nataon'ny roa tonta : "Na misy aumônerie aza eto amintsika, ka raha isika no tsy mila na tsy mangetaheta ny fisian'izany dia ho lasa tsangan'olona fotsiny ny aumônier".