Veloma mandrapihaona, mompera Pierre Emile.

 

DSCN1180

Araka ny efa fantatsika dia handeha hisotro ronono i mompera Pierre Emile, "aumônier" an'ny katolika malagasy atý Italia ka i mompera Athanase Rafanoharantsoa no handimby azy amin'ny fitantanana ny Ankohonana.

Efa hanainga amin'ny herinandro ambony io izy (amin'ny 9 oktobra) ka rariny raha natokana hanaovana veloma sy hisaorana azy ny alahadintsika iray. Teny amin'ny tranon'ny Fikambanana "Asunzionisti" no niarahana nanolotra sorona masina, nifampizarana ny masaka ary nikoranana toy ny mahazatra tamin'ny alahady 2 oktobra teo.

Dia mirary anao ho tonga soa any an-tanindrazana izahay ry zoky am-panahy, mankasitraka sy mankatelina tamin'ny rehetra vitanao taminay ondrinao - misy karazany izahay teto fa hainao ny nandray anay tsirairay avy, nihaino, nanoro sy nanolo-kevitra. Homba ny dianao sy ny ataonao rehetra Andriamanitra. Veloma mandrapihaona iny, eto hatrany izahay faly hifankahita aminao raha sendra mandalo ianao.

Tsy diso anjara koa anefa ny fiarahabana anao, mompera Athanase, tonga soa eto anivonay, vonona hiara-hientana sy hitari-dalàna anay hampiroboroboana ny Ankohonana ho voninahitr'Andriamanitra irery ihany.

 

Ny sary rehetra dia efa milahatra ato amin'ny : TAHIRINTSARY