Veloma vetivety, Elitho kely.

 

Fito volana mahery kely izay no nanaovana antso avo antsika rehetra teto Roma mba hanome tanàna an'i Elitho kely izay tsy salama ka notsaboina teny amin'ny hopitalin'ny ankizy Bambino Gesù, sy ny reniny.

Dia niara-nientana avokoa isika rehetra, nanotrona azy mianaka tamin'ny lafiny rehetra na ara-pitaovana na ara-sosialy sy ny ara-panahy ihany koa - na ny teto Roma renivohitra na ny tany amin'ny faritra.

Vita soa moa izay ny tapany voalohany tamin'ny fitsaboana azy. Hita fa tena mitombo fahasalamana sy hery i Elitho ka dia hanainga hody any an-tanindrazana amin'ny herinandro mialoha ny Paka io izy mianaka. Ny tapany faharoa kosa dia mila hatrehan'izy ireo afaka roa taona eo ho eo.

Koa satria efa zanaky ny Ankohonana tokoa izy mianaka nandritra izay fotoana izay -  i Elitho raha tsaroantsika dia natao batemy tao amin'ny Ankohonana talohan'ny niatrehany ny fandidiana azy tamin'ny volana oktobra lasa teo - dia tsy nety ny Ankohonana raha tsy mba nanolotra sakafom-pianakaviana kely ho azy ireo anio alahady 1 aprily taorian'ny lamesa, nanao veloma madinidinika ary nanolotra vatsy kely ho azy mianaka.

Nampitondra ny teny fisaorana ho anareo rehetra tsy an-kavanaka moa ny reniny anio, misaotra indrindra hono  tamin'ny rehetra foinareo ho azy ireo na tamin'ny fotoana na tamin'ny vola aman-karena, na tamin'ny vavaka, fa indrindra ny Fitiavana lehibe nasehonareo. Misaotra hono fa tsy nahatsiaro tena ho very taty an-tanin'olona taty izy ireo. Misaotra fa raha izy mianakavy kely tsy hahavaly ny vitanareo fa dia Andriamanitra no hamaly izany.

Dia mirary soa hatrany ho azy mianakavy kely isika, indrindra ho an'i Elitho kely. Ary manantena ny hifanatri-tava amin'izy ireo indray afaka iray na roa taona hiara-hiatrika indray ny ady miandry azy ireo.

 

Sary vitsivitsy : Litho kely.

heart heart heart

Dia nararirary aina terý i parrain sy marraine nanatitra azy teny amin'ny seranam-piaramanidina andro vitsy taorian'izay.