Voady mandrakizay ao amin'ny Fikambananny Masera Md Josefa avy any Aosta

 

Ny Fikambanan'ny Masera Md Josefa avy any Aosta, indrindra i Sr Suzette, dia manasa anareo ray aman-dreny, zoky sy zandry, tapaka sy namana ato amin'ny Ankohonana Victoire Rasoamanarivo hiara-hisaotra an'Andriamanitra amin'ny fanoloran-tena mandrakizay izay ataon'izy efatra mirahavavy ao amin'ny Fikambanana. Mangataka ny vavaka avy aminareo tsirairay avy mba hahafahan'izy ireo manolo-tena manontolo ho azy Tompo ho fanompoana ny vahoakan'Andriamanitra.