Voady mandrakizay ataon'i Sr Ida any Salerno

 

Handray ny Voady Mandrakizay ny Masera namantsika iray avy ao @ fikambanan'ireo Masera Mpanompovavin'i Masimbavy Teresan'i Jesoa Zazakely any Salerno :

i Masera Ida RASOAZAFIHENDRY

ka faly manasa antsika rehetra izy ireo ny alatsinainy 2 Janoary ho avy izao mba hiombom-bavaka sy handray anjara amin'ny Sorona Masina izay ho tarihin'i Son Excellence Mgr Ciro Miniero, Evekan'ny Vallo della Lucania.
Ny toerana dia ao amin'ny Katedraly Md Pantaleone, Vallo della Lucania ao SALERNO ary amin'ny 4 ora tolakandro.

" Hitondra hafaliana ho anay anie ny fahatongavanareo sy ny vavaka ataonareo."