Voady mandrakizay nataon'i Sr Julienne Rasoanambinina

 

Nanao ny voady farany i Sr Julienne Rasoamanambina, ao amin'ny Fikambanan'ny missionnaires franciscaines anio 4 oktobra 2010, fetin'i Md François.

Na dia vitsy aza ireo afaka nanotrona noho ny alatsinainy maraina izay andro fiasana, dia nafana tokoa ny fotoana na tamin'ny firedonana ny hira nandritra ny Sorona Masina, na nandritra ny sakafom-pianakaviana nanasan'ny tompon-trano.

Dia mirary hatrany an'i Sr Julienne hahavita be sy haharitra hatramin'ny farany eo amin'ny sahan'ny Tompo, mba ho voninahitr'Andriamanitra sy ny Olontsambatra Victoire Rasoamanarivo mpiahy ny Ankohonantsika.

Misaotra indrindra ireo rehetra tonga, ireo pretra sy ny relijiozy sy ireo lahika, satria isika samy isika tokoa no fianakaviana mifanotrona eto.

 

Sary : JEREO ATO