Voahosotra ho pretra tany Faratsiho izy mirahalahy orionista.

Na somary tara aza dia miarahaba hatrany an'i Mamisoa sy Rinja, orionista, izay nohosorana ho pretra tany Faratsiho tamin'ny alahady 14 oktobra 2012. Mirary faharetana hatramin'ny farany ary hahavita be hatrany anie ianareo amin'ny fanokanantena nataonareo ho mpisoron'ny Avo.

Misaotra indrindra koa tamin'ny voan-dalàna dia ny sary fahatsiarovana ny fahasoavana azonareo sy ny mamy nifampizarana tao ho anay tsy afaka nanatrika fa nanotrona anareo am-bavaka sy an'eritreritra kosa tamin'izay fotoana izay.  

 

Milahatra ato ireo sary ireo : Faratsiho.