Eveka vaovaon'ny diosezin'i Tolagnaro

Neken'ny Papa François ny fametraham-pialan'i Mgr Vincent Rakotozafy hisotro ronono ary nanendry eveka vaovao avy hatrany niaraka tamin'izany izy hitondra indray ny diosezin'i Tolagnaro. i Môpera Luc Olivier Razafitsimialona no notendreny. Misaotra an'i Mgr Vincent tamin'ny nitantanany ny diosezy ary mirary soa sahady ho an'ny eveka vaovao vao voatendry.