Fanendrena an'i Mgr Jean de Dieu ho Arsevekan'Antananarivo

Neken'ny Papa François ny alatsinainy 5 jiona 2023 ny fametraham-pialan'i Mgr Odon Marie Arsène Razanakolona amin'ny fitantanana ny diosezin'Antananarivo noho ny fetran-taona. Notendreny noho izany i Mgr Jean de Dieu Raoelison ho Arseveka  hitantana an'Antananarivo. Eveka mitondra ny diosezin'Ambatondrazaka ity farany ity no izao nahazo fanendrena ho Arsevekan'Antananarivo izao. Misaotra an'i Mgr Odon amin'ny rehetra nataony sy mbola hataony ho an'ny Fiangonana. Mirary soa sy mitondra am-bavaka ihany koa an'i Mgr Jean de Dieu sy ny diosezin'Antananarivo hotantanany.