Fitsofandrano ny Pallium n'i Mgr Jean de Dieu, Arsevekan'Antananarivo

 

Handray ny Pallium voatsodrano i Mgr Jean de Dieu, amin'ny maha Arseveka azy, amin'ny alakamisy 29 jiona 2023, amin'ny 9:30 ao amin'ny Basilikan'i Md Piera eto Roma.

Entanina isika mba hanotrona azy amin'izany. Aorian'ny lamesa ao amin'ny Basilika dia hisy fiaraha-misakafo miaraka amin'ny Arseveka ao amin'ny Casa Canisio (via dei Penitenzieri 20, 00193 Roma).