Alahadin'ny Pantekoty nentanin'ny ELVIR

 

I mompera Jocelyn Rabeson no nitarika ny Sorona Masina, ary nanolotra izany niaraka taminy ireo pretra vitsivitsy eto Roma sy ny manodidina. Ny ELVIR no nanomana sy nanentana ny litorjia.

I mompera Jocelyn moa no voatendry ho Provensialin'ny zezoita faritr'i Madagasikara, hisolo an'i mompera Fulgence Ratsimbazafy izay voatendry ho "Recteur" ao amin'ny Kolejy Bellarmino.