Tam-pifaliana tokoa no nirodorodoan'ny Ankohonana nankany Teramo omaly 20 jolay, satria nohamasinin'i mgr Lorenzo Leuzzi, Evekan’ny Diosezy Teramo-Atri, ho diakra i Fr Rémi, Fr Nicolas, Fr Jérémy, Fr Mamitiana ary Fr Zo Herimanjaka rehefa nahavita ny Fanolorantena mandrakizay tamin'ny 12 jolay lasa teo iny.
Tolorana fisaorana isika rehetra tonga sy nitrotro am-bavaka ary mbola arahabaina manokana iny Fianakaviambe trinitera nahazo fahasoavana. Mahavità be amin’ny sahan’ny Tompo.







































































































































































































































































































